MPIANATRA HIATRIKA

FANADINAM-PANJAKANA


  • Talata 03 Febroary 2026

Maimaim-poana ny fanamboarana kopia fohy ho an’ny ao Alasora

Manao tohivakana ireo Ray aman-dReny tonga mikarakara antontan-taratasy eny amin'ny kaominina hiatrehan-janany ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC ary Bakalorea amin'izao. Lohalaharana amin'ireny ny kopia fohy na Bulletin de naissance. Ho an'ny kaominina Alasora, distrikan' Avaradrano manokana dia maimaim-poana ny fikarakarana izany ho an'ireo ankizy sy tanora mpianatra ao aminy hiatrika fanadinana. Hetsika efa fanao isan-taona izany raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy arahin'ny fanomezana cours maimaim-poana ihany koa. Nambarany fa betsaka ireo Ray aman-dReny amin'izao no sahirana ka tsy afaka mampanao cours ny zanany. Izany indrindra no manosika ny kaominîna hanao ny tolo-tanana ho azy ireny ka efa misokatra ny fisoratana anarana. Tsiahivina moa fa nanatanteraka fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra omaly Alatsinainy 02 Febroary ny kaominîna Alasora notronin'ireo sampan-draharaha maro samihafa miadidy ny fiainam-bahoaka toy ny Polisy, ny zandary, ireo misahana ny Fahasalamam-bahoaka....Ho fitondrana am-bavaka ny taom-piasana taona 2026 no antony, natrehin'ny depiote voafidy tao Avaradrano Andriamosa Avotraina. Tao amin'ny Eglizy katolika no nanatontosana izany notarihin'ireo Raiamandreny am-panahy FFKM.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominîna Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT