Fampianarana

Mpianatra ao Toamasina Nisy nalefa nody noho ny fanaovana kapa lamaody


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Anisan’ny kapa malaza be tena tian’ny olona ankehitriny indrindra fa ny tanora amin’izao ireo karazana kapa toy ny kapan’ny mpampivelona sy ny dokotera.

Lasa misy karazany maro mihitsy izy ireny eny an-tsena eny ka mampanaotao foana ireo tanora mpianatra sasany tsy manana fahafahana ny hividy izany. Raha araka ny vaovao avy any Toamasina dia misy amin'ireo mpianatra amin’ny sekoly sasany mihitsy no mangalatra kapan’ny mpiara-mianatra aminy noho izany. Misy amin’ireo mpianatra ihany koa no manao tery vay manta ireo Ray aman-dReniny mihitsy mba hividy io karazana kapa io na dia sahirana mafy aza . Ny tena mahasorena ireo mpampianatra hoy hatrany ny vaovao dia misy amin’ireo mpianatra no tsy manana fitaovam-pianarana akory nefa mahavidy kapa 25. 000 Ar ny iray. Nisy tamin’ireo mpianatra sasany noho izany no voatery nalefan’ny mpampianatra nody fa nanao io kapa io hisorohana ny olana mety hitranga no sady hanairana ireo Ray aman-dReny sasany ihany koa fa ny fitaovam-pianarana no tokony ho laharam-pahamehana fa tsy kapa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay karazana kapa miteraka olana amina sekoly sasantsasany ao Toamasina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT