MPIANATRA AO BARIKADIMY TOAMASINA

Takian’ny sasany ny tsy hikambanany trano amin’ny foko hafa


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Roa herinandro amin’ity herinandro diavintsika ity ny grevin’ireo mpianatra ao Barikadimy Toamasina.

Resaka fitakiana vatsim-pianarana mikasika ireo "Zéro solde" sy "Introuvable" tonga eny amin'ny paositra no niandohany. Mihitatra amin'ny resaka trano fonenana indray izany amin’izao. Mizara roa ny fitakiana raha araka ny vaovao azo ary samy manana mpitarika avy izy ireo. Misy ny andian'ny mpianatra mangataka sady mitaky trano ho an'ny foko misy azy tsy hitambatra amin'ny foko hafa fa omena cité manokana zareo izy ireo. Etsy an-kilany kosa misy ny mitaky ny mangaraharaha amin'ny resaka vatsim-pianarana. Mihafara amin'ny fanidiana ny birao sy ny fianarana anatin’ny oniversite izany isan’andro. Tsy misy mandeha araka izany ny raharaha fampianarana rehetra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Nifampitazana teo amin’ny vavahadin’ny Cur ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana omaly Talata 16 Jolay.
Pati
Legende : Mitokona tahaka izao ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina isan’andro !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT