Taorian’ny fisamborana mpianatra enina izay voarohirohy tamin’ny hetsika
fanoherana ny delestazy lavareny tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, nandray fanapahan-kevitra hentitra ny mpianatra fa hanao fitokonana faobe anio zoma 22 Aogositra 2025. Tanjon’izy ireo ny hitakiana ny famotsorana ireo namany mbola voatazona. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, ny alatsinainy 18 Aogositra 2025, nanao fihetsiketsehana teny amin’ny lalam-pirenena RN2 ireo mpianatra noho ny fahatezerana tamin’ny fahatapahan-jiro lava. Nandritra izany, nisy fiara nandeha hiakatra an’Antananarivo voatoraka vato, ka naratra ny vehivavy iray, raha toa ka feno rà avy aminy kosa ny zanany kely saingy tsy naninona. Nisy ny fanambaran’ny manam-pahefana notarihin’ny governora mpisolo toerana izay nilaza fa tsy toe-tsaina mpianatra intsony fa fanahin-jiolahy, ary tsy misy hidiran’ny delestazy ny fiara mandeha amin’ny RN2. Nolazaina fa olana niraisan’ny rehetra noho ny haratsian’ny toetr’andro ny delestazy. Nifamory ny OMC (Organe Mixte de Conception), ny avy amin’ny oniversite, ny manam-pahefana,… Ny ampitson’ny sakoroka, niverina indray ny fahatapahan-jiro ka nidina teny amin’ny lalana indray ireo mpianatra. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, nanao fanenjehana, ary nandefa baomba mandatsa-dranomaso tao amin’ny campus. Nifafy hatrany an-trano ny setroka, ka nanempotra ny mponina sy ny mpianatra, raha ny fanamarihana. Araka ny fanazavan’ireo mpianatra, tsy anisan’ireo nanao hetsika ireo voasambotra, fa mpianatra nandeha tsotra fotsiny. Nentina niakatra fampanoavana izy ireo ary voalaza hatreto fa voatazona ao Ambalatavoangy. Noho izany, amin’ny alalan’ity fitokonana faobe ity, dia mitaky ny famotsorana tsy misy hatak’andro ireo namana voasambotra ny mpianatra. Tsy hisy fampianarana na asa pedagogika hatao mandra-pahavahan’ny olana, raha ny seraseran’ireo mpianatra. Asa hanao ahoana indray ity toe-draharaha ity fa raha ny zava-misy dia mafampana ao Barikadimy ? Hisy ve ny olana raha samy nahafehy ny andraikiny ny rehetra ? Ekena fa tsy ara-dalàna ny herisetra ary tsy ekena ny fandratrana olona tsy manan-tsiny fa moa tonga tamin’izany ve raha tsy misy ny delestazy mandavan-taona ? Ho tonga amin’ny toe-javatra tahaka izao ve raha tena mahomby ny Fanjakana ? Mba mandray lesona sa mitantana sy mifehy Firenena ary mamaha olana amin’ny alalan’ny hery sy basy hatrany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.