MPIANATRA 5 MATY TANY MAHAJANGA

Nifona ireo mpanabe, hatsangana ny tsangambato fahatsiarovana


  • Talata 06 Mey 2025

Manoloana ilay tranga nahafatesana ankizy mpianatra 5 mianadahy nandritra ny dia fibeazana

nataon'ny mpianatry ny Lisea Manjakandriana tany Mahajanga ny 22 Aprily teo dia nisy ny fihaonana teo amin'ny Ray aman-drenin'izy 5 mianadahy sy ireo Mpanabe, natrehan'ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny lehiben’ny distrika, ary ny Ben'ny tananan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Nitaky ny nilazan'ireo Mpanabe izay zava-nitranga marina nandritra ny dia fibeazana ny Ben'ny tanana. Hanampy amin'ny fanamorana ireo antontan-taratasy rehetra mikasika ny fiantohana na ny Pascoma ny Distrika sy ny fari-piadidiam-pampianaran’i Manjakandriana. Nandray ny fifonan'ireo Mpanabe ny Ray aman-dreny ary tapaka fa hanangana tsangambato ao amin'ny Lisea Manjakandriana izy ireo ho fahatsiarovana azy 5 mianadahy. Hamono omby ao amin’ny lisea Manjakandriana ihany koa ho famafana ireo ratsy rehetra nifamahofaho tao amin'io toerana io. Naverina ny saran-dalan'izy 5 mianadahy nandritra izany ary nanome toky ny Proviseur vaovao fa hanatanteraka antsakany sy andavany ireo asa sy andraikitra manandrify azy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT