Fampianarana

Mpianatra 30 mianadahy hanala bac Nanjavona ilay mpampanao « cours », tsy azo ny “convocation”


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Ilana fahamailoana amin’izao ireny mpampanao cours marobe isaky ny elakelan-trano ireny indrindra fa ireo mampanao « candidat libre »

ny mpianatra ary milaza ho mahavita mikarakara ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’izany. Mpianatra 30 mianadahy hiatrika ny fanadinana bakalorea no fantatra fa lasibatr’izany ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Voafitaka avokoa izy ireo raha araka ny vaovao voaray. Nanjavona tsy hita intsony mantsy ilay mpampanao cours. Ankoatra izay dia lasany avokoa ny antontan-taratasin’ireo mpianatra niaraka tamin’ny saram-pianarana. Tsy nahazo taratasy fiantsoana na « convocation » izy ireo noho izany hany ka mihahaka tanteraka no sady very herintaona, raha sanatria ka tsy mahita vahaolana. Raha araka ny fampitam-baovao azo moa dia efa fantatry ny ZAP sy ny DREN any an-toerana io trangan-javatra io koa andrasana izay fepetra mety horaisin’izy ireo miaraka amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika.
(Sary fanehoana)
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT