Mpianatra 29 voasoloky tao Toamasina

Tsy afa-niatrika bakalorea, tsy nanam-bahaolana ny Fanjakana


  • Talata 23 Jolay 2024

Tsy nivaha ny olan’ireo mpianatra 29 mianadahy tany Toamasina, ka tsy afaka niatrika ny fanadinam-panjakana

bakalorea izy ireo omaly. Ireo mpianatra ireo izay tsiahivina fa tsy nahazo ny taratasy fiantsoana na «convocation » ary tsy anatin’ny lisitry ny mpiadina ho an’ny bakalorea 2024 mihitsy satria nakepok’ilay sekoly nianaran’izy ireo ny vola hoenti-miatrika ny fanadinana, ary tsy nisy ny fikarakarana ny dosien’izy ireo na feno avokoa aza izany rehetra izany. Tao amin’ny Cour Mahiratra Ankirihiry fanaovana « Cours» no voalaza fa naha voafitaka an’ireo mpianatra, izay tany amin’ny Sekoly School izy ireo no nafindra tany, raha ny fanazavana. Voaloa antsakany sy andavany ny pitsopitsony ara-bola rehetra, saingy voafitaka ireo mpianatra. Mbola nangalan'ilay Talén-tsekoly 10 000Ar isan'olona aza izy ireo ho sandan'ny fiatrehina ny adina ara-panatanjahantena izay tsy natrehan'izy ireo akory, raha ny fanazavana. Nandeha ny fitarainana samihafa, tahaka ny ofisin’ny bakalorea, niakatra tany amin’ny Minisitera mpiahy,… Nambara fa efa tara ny dosie dosie, ka dia niafara amin’izao. Raha ny lalàna mifehy ny fanadinam-panjakana, dia nihintsana avy hatrany izy ireo satria izay tsy tonga amin’ny andro voalohany, dia efa naman’ny tsy afaka. Tsy hita ilay tompon-tsekoly hatreto, ary mbola mandeha ny fikarohana sy fanadihadiana. Ireo mpianatra kosa very taona iray, raha tsy misy ny mety ho vahaolana manokana ao anatin’izao raharaha izao. Dia tena tsy nanana vahaolana manokana ho an’ireo mpiadina ve ny Fanjakana sy ny Minisitera mpiahy teo anatrehan’ny fiantsoana vonjy maro samihafa nataon’ireo mpianatra ? Mila fandinihana sy fijerena akaiky ihany koa eo amin’ny tontolon’ny fanadinam-panjakana ilay hoe : « kandida mahaleotena » na « candidat libre » mba tsy ho gaboraraka ny fanadinam-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT