Fampianarana

Mpiadina CEPE ao Ankazobe Mety tsy hahazo taratasy fiantsoana ny sasany


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Miaina ao anaty tebiteby tanteraka ny ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ankazobe amin’izao fotoana.

 

Raha ny fantatra dia tsy voaomana intsony ny taratasy fiantsoana an’ireo mpiadina sasany ka tsy hahazo taratasy fiantsoana izy ireo, mandritra ny fotoana hanatanterahana  ny fanadinana, amin’ny talata 14 aogositra ho avy izao. Sekoly maromaro no voakasik’izay. Noho ny fitokonana notanterahin’ireo mpampianatra no anisan’ny antony. Efa nanomboka nozaraina omaly ny taratasy fiantsoana an’ireo mpampianatra izay hanatanteraka ny fiambenana. Ny loharanom-baovao azo avy tamin’ny mpampianatra any an-toerana dia hampidirina fotsiny ireo mpiadina sasany tsy nahazo taratasy fiantsoana ireo, amin’ny talata  ho avy izao, ka eo am-baravarana vao hozaraina amin’ny tsirairay avy ny nomeraony. Mbola manana hatramin’ny rahampitso zoma ireo tompon’andraikitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT