Fampianarana

Mpiadina bakalorea ao Ambohimanarina


  • Alatsinainy 17 Jolay 2023

Nomen’ny depiote Todisoa toromarika sy firarian-tsoa

Tontosaina eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara manomboka anio 17 jolay ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Ny 17-21 jolay ho an'ny sokajy ankapobeny, ary ny 17-24 jolay ny an'ny sokajy teknika. Miisa ho 215 630 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izany hoe niakatra 12,5%, raha oharina amin’ny isan-taona. Samy nanana ny fomba nentiny nanomana izany ireo mpiadina, fa raha ho an'ny teny amin'ny boriborintany fahaenina eto Antananarivo Renivohitra, dia nisy ny "cours" maimaimpoana sy fizarana « polycopies » maimaimpoana nataon'ny Depiote Todisoa Andriamampandry nandritry ny 3 volana ho an’ireo zanak’Ambohimanarina tsy an-kanavaka. Hetsika fanaony isan-taona ho fanohanana ny tanoran’Ambohimanarina, ka tao amin'ny ICM Antsararay Ambohimanarina no nanatanterahana izany. Tanora hatrany amin'ny 700 isa no nisitraka ity tan-tsoroka ity. Tonga nitso-drano sy nanome toromarika ireo mpanala fanadinana Bakalorea ny tenany ny zoma lasa teo, andro faran’ny faradoboka mialohan’ny bakalorea. "Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny mpanala fanadinana bakalorea rehetra manerana ny Nosy, ary mitondra am-bavaka anareo", hoy io solombavambahoaka io. Niarahaba ihany koa ireo afaka fanadinana BEPC rehetra ary mankahery ireo izay tsy afaka. Tsara rahateo ny mampahatsiahy, fa samy nisitraka "cours" maimaimpoana avy amin'io solombavambahoaka io na ireo nanala BEPC na ireo miatrika bakalorea.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT