Fampianarana

Mpiadina bakalora ao Alasora Manome “cours” maimaimpoana ny kaominina


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Laharam-pahamehana ho an’ireo kaominina sasany ny sehatry ny fanabeazana indrindra fa ny fampiakarana ny

voka-panadinana isan-taona ho an’ireo tanora mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny BEPC sy ny Bakalorea. Voakasik’izany manokana ny kaominina Alasora izay miezaka hatrany manampy ny Ray aman-dReny sy ny mpianatra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Taorian’ny fivoriana notanterahin’ny Structure Locale de Concertation na ny SLC eo anivon’ity kaominina ity dia tapaka fa hisy ny fikarakarana cours maimaim-poana ho an’ireo tanora mpianatra monina ao Alasora na aiza na aiza manovo fahalalana ka hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea. Ho an’itsy fanadinana voalohany dia fantatra fa mpianatra miisa 500 no efa nisoratra anarana. Efa nanomboka tamin’ny Sabotsy faran’ny volana Febroary teo kosa ny cours ka ao amin’ny CEG Alasora no hanaovana izany isaky ny andro Sabotsy. Mikasika ny cours ho an’ireo mpanala Bakalorea kosa indray dia hanomboka amin’ny volana Aprily na May ny fampianarana. Mbola mitohy hatrany noho izany ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana amin’izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT