MPIADINA BAKA TSARA NAOTY AO TALATAMATY

Ho entin’ny Ben’ny tanana hanao vakansy


  • Zoma 25 Jolay 2025

Miezaka manohana sy manome fahafaham-po hatrany ireo ankizy mpiadina

niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary Bakalorea ao amin’ny faritra hiadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Ho an’ireo mpiadina Bakalorea miisa 300 ohatra dia nomena bus maimaim-poana nanatitra sy naka azy ireo ny tsirairay ka natao isam-pokontany izany ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Nandritra ny 4 andro no nanaovana ny fanampiana izay volan’ny kaominina madiodio. Tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC indray dia nisy ny fanomezana fiara nakana ny laza adina sy nanaterana ny taratasim-panadinana tany amin’ny foibem-panadinana tany Ambohidratrimo. Hotolorana fanomezana ihany koa ireo mpiadina tsara naoty indrindra ho an’ireo fanadinam-panjakana miisa roa ireo raha vakansy mivoaka any amin’ny faritra kosa ny an’ireo afa-panadinana Bakalorea. Nambaran’ny Ben’ny tanana moa fa tsy nisy ilay fanaovana vakansy tamin’ny taon-dasa noho ny fanomanana ny fifidianana saingy hoaveriny indray izany amin’ity taona 2025 ity.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT