Fampianarana

Mpandraharan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa “Tsy misy fidirana izany eo raha tsy mivaly ny fitakiana”


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Efa 61 no nitokona ny mpandraharan’ny oniversite na ny PAT ao Andrainjato Fianarantsoa, izay nanamafy izany ny herinandro lasa teo. Omaly 21 septambra,

 tsy navelan’ny mpandraharaha nivoaka ny faritra ny Oniversite ny mpanolontsaina ara-teknika an’ny minisitera izay avy any an-toerana. Nidinika tamin’ny mpandraharaha, saingy tsy namaly azy mazava, ka tezitra ireo PAT. Isan’ny tsy eken’izy ireo ny fampihenenana ny karama manodidina ny 20%, ny karama septambra hatramin’ny omaly kanefa efa mahazatra ny lamina isika ny faha-20 volana, ny “indemnité de téchnicité”,…. “Ianao tsy miala eto raha tsy misy vahaolana mivoaka eto”, “Tsy maintsy maintsy manao fanambarana ofisialy eto ianao androany. Tsy miala eo ianao”,… hoy ireo PAT. Nilaza ho efa in-telo nampanantenaina fa hodinihina ao amin’ny filankevitry ny minisitra ny fitakian’izy ireo, saingy tsy misy valiny, ary mahatsapa ho tsy raharahiana. Nanamafy ireo mpandraharahan’ny Oniversite, fa hetsika madio tsy misy ambadika politika ny azy ireo. “Mitaky ny famerenana ny karamanay izay notsoahina izahay”, hoy ny mpiasa. Nilaza hanamafy ny tolona ny PAT, ary tsy hiasa raha tsy mivaly ny fitakiana na efa tapaka tao anatin’ny fivorian’ireo filohana anjerimanontolo na “COPRIES” fa ny 4 oktobra ny fidirana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT