Fampianarana

Mpandraharahan’ny Onivesrite Ankatso Nivaly tamin’ny ampahany ny fitakiana


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Nitohy tamin’ny grevy faobe nitaky ny karamany sy ny tombotsoany ireo mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo na ny PAT (personnel administratif et technique).

Ny andron’ny alatsinainy teo no efa nanakan-dàlana sy nandrehitra afo, ary nitohy omaly ny grevy, nifanindran-dàlana tamin’ny hetsika nataon’ny mpianatra. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitra mahefa, voalaza fa nandray ny karama volana marsa ny PAT omaly hariva, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny PAT Rakotoson Pierre, araka ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao samihafa. Hialana amin’ny korontana, tokony hitondra fanazavana hatrany ny Minisitera voakasika, hoy ny mpandraharaha. Misy amin’ireo mpiasa no efa nandray vola. Ny marain’ny omaly mantsy no nandraisana ny vola teny anivon’ny Paositra, rehefa nanandeha ny fanafainganana. Ny tapany hariva kosa ho an’ny mandray izany amin’ny banky, hoy ny tatitra. Nilaza kosa ny PAT fa mbola tsy nahazoana valiny mazava ny fitakiana ny tambin-karama volana novambra sy desambra farany teo. Noraisin’ny Fiadidiana ny Oniversite ny fikarakarana ny fanafainganana ny antontan-taratasy famoahana izany tambin-karama izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT