Fampianarana

Mpandraharahan’ny oniversiten’Antananarivo “Mivaly ny fitakianay rehetra vao misokatra ny oniversite”


  • Talata 05 Oktobra 2021

Nitokona nanoloana ny fidirana na “barrière” eny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpandraharahan’ity oniversite eny Ankatso ity.

 Nisy ny fifampiresahan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo iny omaly iny, raha ny fampitam-baovao, izay nitateran’ny mpitarika ny hetsika fa nanomboka ny volana janoary ka hatramin’izao dia mbola tsy nahazo famatsiana na “subvention” mihitsy ny oniversiten’Antananarivo mikasika ny karama fa ny 8 volana niainan’izy ireo teo, izany hoe, ny janoary hatramin’ny aogositra, dia ny oniversiten’Antananarivo foana no nizaka ny karaman’izy ireo. Lany tanteraka amin’izao fotoana izao ny vola eo am-pelantanan’ny oniversiten’Antananarivo ka tsy ahafahany mandoa ny karaman’ireo mpandraharaha intsony. Ny hanomezana ny karamanay volana septambra miampy vahaolana maharitra fa tsy “tip top” toy izao foana no takianay amin’ny fitondram-panjakana, hoy izy ireo. Mivaly ny fitakianay rehetra vao miverina misokatra ny oniversiten’Antananarivo, hoy hatrany ireto mpandraharaha mivondrona anaty SPATUT izay nanamarika fa miisa 1244 ireto.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT