Fampianarana

Mpanala Fanadinana BEPC Miisa 4 ireo teratany vahiny, misy manana olana ara-batana 47


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Hotanterahina manomboka anio alatsinainy 03 jolay haharitra efatra andro ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny tanin’ny Repoblika.

Mpiadina miisa 305. 836 no hiatrika izany izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 1.072. Ny efatra amin’ireo mpiadina ireo no fantatra fa dia tera-tany vahiny. Manana tsy fahatombanana ara-batana kosa ny 47 isa, izay marihina fa efa vonona tsara avokoa. Ny somary nampiavaka kely ny fanadinam-panjakana BEPC tamin’ity taona ity dia maro kokoa ireo nisafidy ny sopkajy B raha oharina amin’ny sokajy A izay tena nahaliana ny mpiadina teo aloha. Nahatratra 155.880 mantsy iretsy voalohany raha miisa 149. 956 kosa ireto farany. Toy ny mahazatra dia ny taranja matematika no tena atahoran’ny mpiadina ho an’ireo nisafidy ny sokajy A raha toraka izay ihany koa ny taranga tantara sy jeografia izay lesona be hatrany. Nisotra tamim-pilaminana ny fijerena ny efitranom-panadinana omaly ho an’ny teny amin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT