Fampianarana

Mpanala fanadinana BEPC 45 taona no zokiny indrindra eto an-drenivohitra


  • Talata 17 Aprily 2018

Niakatra 12,21 % ny tahan’ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC amin’ity taona 2018 ity ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra.

 
Tafakatra 27.980 mantsy ny isan’izy ireo ka 45 taona no zokiny indrindra hiatrika izany,  hanatanterahana ny fanadinana mandritra ny efatra andro ao amin’ny lisea JJ Rabearivelo etsy Analakely. Folo  taona kosa no zandriny indrindra  raha  ao amin’ny CEG 67 ha ny foibem-panadinana hisy azy. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 32 izy ireo  raha araka ny fanazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra. Miisa fito kosa ireo toerana hanaovana ny fitsarana ny fanadinana, 661 ny isan’ny efitrano fianarana handraisana azy ireo , 1.156  kosa indray ny isan’ny mpitsara raha 1.269 ny mpiambina hiandraikitra izany.  Na izany aza anefa dia mbola tsy voafaritra kosa ny daty hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena izay fantatra fa hivoaka tsy ho ela. Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fanadinana BEPC moa ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra ankehitriny,  raha araka ny fantatra hatrany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT