Fampianarana

Mpanala BEPC tetsy Ampefiloha Nahazo tohana avy amin’ny polisim-pirenena


  • Talata 04 Jolay 2023

Feno mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC tsy afaka nody atoandro tetsy Ampefiloha akaikin'ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka omaly.

Nisy tamin’izy ireny no nanateran-dRay aman-dReniny vary raha nisy ihany koa ireo nividy izay kely hitany sy sahaza azy teny amin’iny faritra iny.Tahaka ny fanaon'ireo Polisy miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka isan-taona dia nizara tohan'aina ho an'ireo ankizy mpiadina ireo izy ireo hoentina manome hery ireto farany. Nahitana yaourt, bisikoitra… . izany. Ankoatra ny polisy moa dia nanolotra ody ambavafo ho an’ireo mpiadina mihoatra ny 1900 ao amin’ny faritra iadidiany ihany koa ny Ben’ny tananan’Ankaraobato Atsimondrano omaly. Toraka izany koa ny olon-tsotra iray teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny. Sakafo atoandro mihitsy no natolotr’ity farany raha ny fijerena ny convocation an’ilay mpiadina kosa no mba hany fepetra notakiany hisorohana ireo mety ho mpisoloky.
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ny polisim-pirenena nizara ilay tohan’aina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT