Fampianarana

Mpanakanto Lejim 415 Nahazo «Doctorat» momba ny haimozika


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Tontosa omaly 19 aprily 2023 tao amin'ny Ecole doctorale thématiques Lettres, Humanités, et Indépendances Culturelles (EDLHIC),

Oniversite Toliara ny fanohanana am-pahibemaso ny vokam-pikarohana na «thèse de doctorat» mitondra ny lohateny hoe "Harmonie constructive des Tsimihety à travers le bal Balimanjôfo." Izay notontosain’ilay mpanakanto antsoina hoe Lejim 415 na Rakotonavory Jimmy Hilarion. Voka-pikarohana mikasika ny haimozika na «musicologie» moa ity mikasika ny mozika tsimihety tarafina amin’ny lanonana antsoina hoe «Balimanjôfo» ity raha ny fanazavana. Ankoatran’ny fahazoany ny mari-pahaizana ambony «Doctorat en musicologie» dia nomen’ireo mpitsara ny marim-pankasitrahana «mention très honorable avec félicitations à l’unanimité du jury» koa ity mpanankato, manam-pahaizana momba ny mozika ity. Mpanakanto, mpamorona sady mpihira moa ny Dr Jimmy Hilarion Rakotonavory ary mivoy izay Balimanjôfo. Reharehan’i Madagasikara‚ fa indrindra ny faritra Sofia, izay nipoirany izao ezaka goavana vitany izao, hoy ny solontenan’ireo mpankafy izay tonga maro nanotrona azy tany an-toerana moa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT