Fampianarana

Mpanabe eto Madagasikara Tokony mba hanaraka ny fenitra ny karama, hoy ny UNESCO


  • Alakamisy 06 Oktobra 2022

Andro iray natokana hijerena ireo mpampianatra, mpanabe ny andro iraisampirenena ho an’ny fanabeazana, hoy ny avy eo anivon’ny rafitra iraisampirenena misahana izany anaty firenena mikambana na UNESCO.

Samy mahatsapa isika, hoy ny sekretera jeneralin’ny UNESCO eto Madagasikara, Manda Ravelojaona, ny anjara toeran’izany mpanabe izany maneran-tany. Samy nandalo tamin’izany daholo ny olona rehetra nanovo fahalalana, hoy izy. Ny andron’ny 5 oktobra dia andro iray natokan’ny UNESCO sy OIT hahatsiarovana ny mpanabe. Ny fanovana rehetra tiana apetraka, na eo amin’ny lafiny fanabeazana na fanatsarana fiainam-piarahamonina dia atomboka amin’ny mpanabe. Anton’izao hetsika izao, noho izany, ny hanambarana sy itenenana fa tokony ho jerena amin’ny lafiny rehetra ny mpanabe. Ny mpanabe dia mikolokolo ny mahaolona rehetra miatomboka amin’ny ara-batana, saina, fanahy, indrindra, famolavolana olompirenena vanona. Mendrika omena lanjany izany. Satria moa iarahana amin’ny sampana iraisampirenena momba ny asa na OIT ity dia tokony mba hifanaraka amin’ny fenitra ny tambin-karama sy asan’ireny mpanabe ireny. Tokony hisitraka asa raikitra, noho izany, ireo mpanabe ireo. Firy moa no mbola tsy manana asa raikitra, raha tsy hiteny fotsiny aho hoe eo amin’ny sehatra tsy miankina? Tonga, ohatra, ny fialantsasatra dia misy mpanabe tsy mandray karama. Isan’ny mba hangatahanay hoe na izay fotsiny aza no tanterantsika mandava-taona dia ny hoe misitraka karama na dia anaty fialantsasatra aza ireo mpanabe. Tokony jerena koa ny fampitaovana ireo mpanabe ireo hatrany ambany ravinkazo any, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

Legende: Manda Ravelojaona

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT