Fampianarana

Mpampivelona sy mpitsabo mpanampy Andiany faharoa 83 mianadahy no navoakan’ny UPRIM


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Namoaka ny andiany faharoa amin’ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy nanovo fahalalana tao aminy nandritra ny telo taona ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba.

 

Miisa 83 mianadahy izy ireo izay nahavita feno ny fampianarana tany an-tsekoly sy ny fianarana asa teny anivon’ny CSB II sy ny CHU ary ny  tobim-pitsaboana tsy miankina nanomboka tany amin’ny taona voalohany, raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Afaka miatrika asa avy hatrany izy 83 mianadahy ireto ary efa misy ihany koa ireo miasa ankoatra ireo vonona ny handray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana. Nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana mantsy ny diplaoma azon’izy ireo  sady eken’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ihany koa. Ny minisitry ny mponina Rtoa Naharimamy Irmah no reny mpiahy azy ireo izay marihina fa mpianatra navoakan’ny  sekoly ambony UPRIM ihany koa. Ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty Rado Razafindratsimba kosa no ray mpiahy azy ireo. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny holafitry ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy ary ireo tompon’andraikitra ambony rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Navoaka tamin’ny sabotsy koa ireo mpianatra 80 mianadahy hafa notolorana ny mari-pahaizana “Diplômes de technicien superieur”  nanaraka ny lalam-piofanana gestion et management, ny communication, ny droit ary ny commerce et marketing. Tao amin’ny  A and C Palace Ivato no nanatanterahana ny lanonana rehetra.  

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT