Fampianarana

Mpampianatra sy mpanabe “Mitohy ny tolona !”


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Miha mihenjana hatrany ny tady eo anivon’ireo mpampianatra sy mpanabe sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ary tena ambivitry ny ho tapaka tanteraka, raha ny zava-nitranga saika nanerana ny nosy ny sabotsy teo.

 Raha iny variana nifantoka tamin’ny fitokonany nanoloana ny minisitera mpiahy azy ireo etsy Anosy indrindra ireo mpampianatra sy mpanabe no nahare savorovoro tampoka tetsy amin’ny lisea maoderina Ampefiloha. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana dia voalaza fa nampandre ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny tompon’andraikitra eo anivon’ity lisea mba hampianatra sy hampanao aron’akanjo ireo zanany anio. rehefa tonga teny an-toerana anefa ireto ray aman-dreny ireto dia taitra mafy nandre fa 5 ihany no mpampianatra nanaiky hampianatra raha mbola mitokona kosa ny 229 isa. Nitroatra ireto ray aman-dreny ireto ary dia nanao antso avo tamin’ireo ray aman-dreny namany hanatevina ny tolon’ny mpampianatra manomboka anio. Nisy koa moa fanambarana ray aman-dreny avy amin’ny faritra mikasika izay resaka fanohanana ny tolon’ny mpampianatra sy mpanabe izay toy ny any Fianarantsoa sy Antsirabe, raha ny vaovao voaray tamin’ny sabotsy hatrany. Mitohy ny tolona, hoy izy ireo.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT