Fampianarana

Mpampianatra sy mpanabe Miandry minisitra tena mahavita azy


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Niray feo teto Antananarivo omaly ireo solontenan’ny mpampianatra sy mpanabe manerana ny nosy mivondrona ao anatin’ilay antsoina hoe “Collectif des DREN et Chef Cisco”.

 

 

 Niarahaba sy nirary soa ny filoham-pirenena vaovao izy ireo ary niarahaba ny praiminisitra tafaverina amin’ny toerany ihany koa. Hiaraha-mahalala, hoy ireto fivondronana mpanabe ireto, fa ny andrasan’ny Malagasy dia ny ahavitan’ny fanadinam-panjakana mba tsy hampitebiteby ireo raiamandreny. Mampahatsiahy izahay, hoy izy ireo, fa mila teknisianina za-draharaha fa tsy olona vao hitsapatsapa ny mpanabe Malagasy. Na dia tsy nivantana aza ny fanambaran’ireto mpampianatra sy mpanabe ireto dia hita avy hatrany fa miandry minisitra mahavita azy sy mpitantana ny minisitera misahana azy ireo mba ho tena mahalala tsara ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara hotendren’ny praiminisitra vaovao izy ireo mba tsy hiverenan’ny olana mateti-pitranga eo amin’izay tontolon’ny fampianarana eto amintsika izay intsony.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT