Fampianarana

Mpampianatra sy mpanabe ao Ihorombe Mitaraina ho iharan’ny tsindrihazolena


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Mafy ny manjo ny mpampianatra any amin’ny DRENEP Ihorombe na ny fiadidiam-pampianarana any amin’iny faritra iny, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

 

 

Manararao-pahefana ireo tompon’andraikitra. Anisan’ny endrik’izany, ohatra, ny fampandoavana 5000 ariary ireo mangataka mari-pahaizana na “attestation” sy diplaoma. Ny zandrin’ny talen’ny DRENEP ihany no tomponandraikitra misahana ny fanadinana mitaky io vola io, raha ny fanazavana voaray. Teren’ny DRENEP ireo talen-tsekoly notendreny mba hampiditra ireo havany sy izay akaiky azy ho mpampianatra ENF. CEG Ihosy, CEG Ankily, EPP Besavoa Ihosy, EPP Anarafanja Ihosy no efa nanaiky izany ary tena nampalahelo ny FRAM satria tsy afa-nanohitra. Nisy ireo tsy nahazo “Panier garni”, nisy nahazo fa 7000 ariary, ny sasany 5000 ariary, hoy hatrany ity tatitra ity. Miantso ny minisitera, noho izany izy ireo mba handray ny andraikiny.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT