Fampianarana

Mpampianatra mpitsara CEPE « Omeo ny vacation’nay fa aza odiana fanina »


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Mangataka ny tokony handoavana ny vacation-ny na ny tambin-karama amin’ny fitsarana fanadinana, ireo mpampianatra mitsara ny fanadinam-panjakana CEPE.

 


 Raha tsiahivina mantsy dia efa nanomboka afak’omaly hariva izany, nitohy omaly tontolo andro. Notsiahivin’ireo mpampianatra fa tambin-karama na vacation tamin’ny taona 2018 no noraisin’izy ireo hatreto. Mbola tsy voaloha araka izany ny tambin-karama tamin’ny taona 2019, 2020 ary ny 2021 izay hangatahin’izy ireo ny handoavana azy mitambatra. Aza odiana fanina izahay mpampianatra hoy izy ireo fa izahay no tena miasa mafy. Mahatsapa mantsy izy ireo fa hataon’ny Fitondram-panjakana ankilabao hatrany amin’ireo fangatahana hataony nefa tena hiankinan’ny ain’ny asa fampianarana. Tsy mbola nahazoana valiny mifandraika amin’izao fangatahana hataon’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinana CEPE izao moa ny teo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra raha efa nilaza kosa izy ireo fa tsy maintsy hanao fanambarana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT