Mpampianatra mpikaroka sy ny sendika

Miantso ny tafika handray ny Firenena…


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Nandefa taratasy any amin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy ny Sendikan’ny

mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo miaraka amin’ny Randrana sendikaly ny 10 novambra. Milaza fa tandindonin-doza tanteraka ny firenena, ary mampanahy ny hisian’ny ady an-trano. Navoitran’izy ireo ny endrika famoretana sy herisetra tafahoatra ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny vahoaka maneho hevitra am-pilaminana, izay manalavitra an’ilay hoe : miaro ny vahoaka sy ny fananany ; ny tsy fanajana ny Fanjakana tan-dalàna, ny demokrasia, ny fanosihosena ny lalàmpanorenana sy ny zon’olombelona ary ny lalàna manan-kery ; ny fifandonana ara-politika miseho amin’ny endriny maro ; fa indrindra indrindra ny fidangan’ny vidim-piainana izay miantraika amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy. Izany rehetra izany, dia manaporofo fa tsy misy governemanta eto, hoy io taratasy io. Noho izany, miantso ny rehetra handray an-tànana ny fanavotana ny firenena ny SECES sy ny Randrana Sendikaly, ka tafiditra ao anatin’io ny tafika ; ny manam-pahefana ara-drazana sy ara-pinoana, ireo olobe, ny zanaky ny firenena, ireo avara-pianarana, ary ireo sendika. Ny olan’ny Malagasy dia tokony hovahan’ny samy Malagasy, mba hanorenana sy hananganana indray ny firenena, ho an’ny taranaka Malagasy, hoy io taratasy io. Isan’ny nandefasana io taratasy io moa ny Antenimierampirenena, ny Mediatioran’ny Repoblika, ny Solontenan’ny Firenena Mikambana. Tsy vao sambany no nisy antso avo ho an’ny tafika, ary maro no efa mifoha ao anatin’ny tafi-bahoaka eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Isan’ny efa naneho, ohatra, ny Ombimangan’ny andiany faha-16 izay niantso ny tafika hisaintsaina ho atao fitaovana politika hamoretana vahoaka, fa ny olana politika dia vahana amin’ny politika. Jeneraly iray « Commandat de Zone de Défense et de Sécurité Ikopa» iray ihany koa no voalaza fa nandà baiko hanaporetana ny mpiray tanindrazana ka nesorina tamin’ny toerany, hoy ny resaka miely. Tsy mbola nisy ny fandisoana ofisialy anío, fa ny tsy azo lavina aloha, dia tena nesorina tamin’ny toerany ilay manamboninahitra ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT