Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka Mbola tsy azo ny volan’ny ora fanampiny 2017- 2018


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Miroso amin’ny famaranana ny taom-pianarana 2018-2019 sy fanombohana ny

 

 

 

2019-2020 ankehitriny ny oniversiten’Antananarivo. Tokony ho tsapan’ny tsirairay fa miezaka ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpandraharaha eo amin’ny fiatrehana izany, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina. Nisy moa ny ahamehana ara-pahasalamana izay mbola tsy tena afatsika sy toy ny adino dia tokony jerena izany satria mampatahotra sy mampiahiahy raha ny mpianatra ao amin’ny taona voalohany sy faharoa dia efa mihoatra ny 800 isa nefa sady tsy voahaja ny elanelana iray metatra no tsy misy fiantohana ara-pahasalamana. Manahy izahay sao hirongatra indray ety amin’ny anjerimanontolo ny COVID 19, hoy ny filohan’ny Seces Tana. Mitaky fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana ambony izany fa tsy hoe hanao tazan-davitra izy ireo na vain-drahalahy tsy maharary. Apetraka tsara fa tokony vonona ny enti-manana rehetra avy amin’ny fitondrana toy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny fampitaovana, ny fampandehan-draharaha ary ny enti-manana amin’ny fampitam-pahalalana. Tokony vahana ny tsy fisitrahan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny ora fanampiny izay tokony efa nositrahany ho an’ny taona 2017-2018. Malahelo izahay maheno hoe efa voasonian’ny fitondram-panjakana ambony ny an’ny oniversite miisa 5 eto Madagasikara saingy ny an’Antananarivo ihany no tsy fantatray mazava hatreto. 7 volana monja ny taom-pianarana amin’ity ka raha sanatria mbola misy fahatapahan’ny fampianarana na dia herinandro monja aza dia mampalahelo ny zana-bahoaka. Aoka tsy ho zanak’Ikalahafa ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT