Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy Miisa 2584 monja raha ny fanisana farany


  • Zoma 16 Jolay 2021

Tsy ampy be dia be ny isan’ny mpampianatra mpikaroka satria raha atao ny salan’isa dia mpianatra 57 isa no tazomin’ny mpampianatra iray. 167 izany ho an’ny oniversiten’I Toamasina.

Raha ny lasitra nomen’ny Unesco anefa dia tokony ho mpianatra miisa 25 isaky ny mpampianatra no fenitra iraisampirenena. Taorian’ny hahamehana ara-pahasalamana mandrak’anio dia efa mihoatra ny 50 ireo mpampianatra maty. Efa mihoatra ny 150 ny lasa nisotro ronono. Marina fa misy ny fanomezana “poste budgetaire” miisa 100 tamin’ny LFI 2021. Misy koa ny mbola fampanantenana fa hahazo 100 saingy tsy ampy izany satria mila mahazo izany miisa 500 isan-taona ao anaty 4 taona vao mety hihena ny ora fanampiny izay olan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fandoavana azy satria vahaolana vonjy tavan’andro. Mpampianatra sy mpiasa mbola 3000 isa any vao foana io. 2584 monja raha ny fanisana farany no isan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana an’I Madagasikara, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT