Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka « Mampanahy tanteraka ny bakalorea »


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Nanao fanambarana indray ny SECES Sampana Antananarivo ivondronan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra omaly tetsy Ankatso.

 

 

 Ankoatra ny fiandrasan’izy ireo ny fahavitan’ny 15 andro hifampidinihana amin’ny fanjakana dia mbola hisy indray ny fivoriana ny 29 oktobra ho avy izao. Miahiahy tanteraka ankehitriny ny SECES mahakasika ny fanadinana Bakalorea ary manontany tena ny amin’ny fandraisana andraikitr’ireo lehiben’ny foibem-panadinana sy ny filohan’ny mpitsara. Aleo hazava tsara ny fepetra sy ezaka raisin’ny fanjakana, hoy ny SECES mba tsy hiverenana intsony amin’ireny tranga mamohehatra ireny. Nanambara ihany koa izy ireo fa misy ireo olona tsy meloka kanefa gadraina tsotra izao hanehoana fa mandray andraikitra ny fanjakana. Ireo tena nahavanon-doza no tokony hojerena ary hosaziana mafy noho izy ireo mamotika tanteraka ny hoavin’ny taranaka. Mahakasika ny fihaonana dia efa nampanantena ny minisitera mpiahy fa hihaona amin’ny SECES rehefa vita ny fanadinana Bakalorea.

Tsirinasolo

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT