Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka Hiverina hampianatra fa hanara-maso ny fiasan’ny minisitra


  • Talata 04 Febroary 2020

Noraisin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika vaovao, ny Pr Elia Béatrice Assoumacou,

 

 

 voalohany taorian’ny fifamindram-pahefany tamin’ny minisitra teo aloha, ny Pr Blanche Nirina Richard, ny faran’ny herinandro teo ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Seces Tana, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, omaly. Nisy araka izany ny fifampidinihana mikasika ireo fomba azo atao ahafahana mamaha ny olan’ny Seces sy ny oniversite manerana ny nosy mihitsy. Efa tenin’ny minisitra rahateo fa tsy maintsy vahana ny olan’ny Seces ary andry iankinan’ny minisitera ihany koa ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ao anatin’izany, raha ny fanazavana hatrany. Nisy moa omaly ny fivoriambe teny Ankatso nanapahan’ny avy eo anivon’ny Seces mikasika ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo ary nanambara izy ireo fa hiverina hampianatra amin’izay sy hamita ny taom-pianarana 2018 – 2019. Hisy kosa anefa, hoy ny fanazavana, ny fanaraha-maso na “evaluation” hotontosain’ny Seces ny volana martsa sy aprily izao hijerena izay hetsika famahan’ny minisitera tomponandraikitra ny olan’izy ireo izay. Miankina amin’ny zava-misy ao anatin’izay fotoana izay no hamaritana ny mety ho tohiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT