Fampianarana

Mpampianatra mpikaroka eny Ankatso Nampitandrina ny fanjakana


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Nanatanteraka fivoriana teny Ankatso indray ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES) omaly alarobia 06 martsa.

 

 

 Tapaka tamin’izany fa ho any amin’ny primatiora anio ny solontenan’izy ireo hametraka ny fampahafantarana mialoha ny amin’ny fitokonana atao (préavis de grève) sady hiresaka mivantana amin’Andriamatoa praiminisitra Ntsay Christian momba ireo fitakiana ataony. Anisan’ny horesahin’izy ireo ny fanemorana ny fifidianana hotanterahin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana mba hisian’ny fangaraharana sy ara-pomba demokratika ary andraisan’ny rehetra anjara. Eo ihany koa ny fitakiana ny amin’ny tsy hanapotehana ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ny foibe fikarohana nasionaly manoloana ny fampiatoana sy ny fanafoanana ny asan’ireo mpampianatra mpikaroka manampahaizana manokana sy efa manana traikefa tanteraka. Tokony hoekena hatrany ireo na dia tsy ampy 15 taona aza no niasany tamin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana mba hanohy ny asa fampianarana sy ny fanarahana manokana (encadrement) ireo hanatanteraka ny famintinana ny fianarana natao (thèse). Ankoatra izay dia horesahina amin’ny praiminisitra ihany koa ny famerenana ny fikilasiana (reclassement) sy ireo ora mihoatra niasan’ireo mpampianatra (heure supplémentaire) izay tsy naloan’ny fanjakana mihitsy nanomboka tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taona 2016 hatramin’izao. Nampitandrina ary nanambara ihany koa izy ireo fa hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa raha mbola manao be marenina sy tsy  mahita vahaolana ny fanjakana anatin’ny 72 ora. Tsy mety aminay, hoy izy ireo ny fanirahana ireo olona, tsy fantatra na mpitsikilo avy amin’ny fitondram-panjakana nifampiresaka tsy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy sy alahady lasa teo izay nilaza ho nampita hafatra sy hikaro-bahaolana.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT