Vory lanona ireo mpampianatra mpanabe nitondra sorabaventy nitokona teo anoloan’ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena indray omaly maraina.
Mialoha ny fandehanana eny amin`ny kianjan`ny 13 mey dia nanome valin-kafatra an`ny minisitra Paul Rabary ireo mpampianatra mpanabe. Tsy manaiky ny tsindry sy antsojay ataon`ny minisitra ireo mpanao fitokonana. Nitondra valin-kafatra mamaivay an`i Paul Rabary izy ireo manoloana ny fanehoan-kevitra nataon`ny minisitra tamin`ny haino aman-jery mikasika ny fitokonana nataon`izy ireo. Raha fehezina, nilaza ny minisitra fa diso varavarana ireo mpampianatra mpanabe. Novalian`izy ireo kosa fa izy mihitsy no diso varavarana ary efa natoron`ny HCC ny lalana tokony hivoahana. Nandritra ny fanambarana dia nanamafy ny minisitra fa izy no tompon`andraikitra amin`ny fampidirana mpiasa 40 000 kanefa ny vahoaka Malagasy no tompon`ity minisitera ity. Tsy azy velively ny minisitera kanefa nekeny ny fampidirana 4 000 tamin`ity taona ity izay porofo iray hisian`ny kolikoly. Tao alohan`izay anefa dia nanatanteraka fivoriana tao amin`ny Lisea Maoderina Ampefiloha (LMA) ireo mpampianatra mpanabe manoloana ny hetsika ho an`ny depiote 73 mialoha ny hihazoan`izy ireo ny kianjan`ny 13 mey. Misy ireo andian`olona nikasa hanakorontana ny fivoriana teny amin`ny toerana manodidina ny LMA saingy noraran`ny mpitandro ny filaminana ny fikasan-dratsin`ireo andian`olona ireo. Amin`ny ankapobeny, nizotra tam-pilaminana ny fivorian`ny mpampianatra mpanabe izay manohana ny tolona mitaky fanovana. Nanome toky kosa izy ireo tamin`ireo ray aman-dreny fa tsy hisy ny taona fotsy amin`ity taom-pampianarana ity. Niely ny feo omaly tetsy Anosy fa misy indray ny teritery ataon`ny fitondrana ho an`ireo mpampianatra ho any Antanimbarinandriana anio ary hosoloina, hono, ireo mpampianatra mitokona. Tsy ekena intsony ny faneriterena amin`izao ary nohamafisin`ireo mpampianatra fa ny fametraham-pialana am-pahendrena no nandrasana tamin`ireo tompon`andraikitra isan-tsokajiny taorian`ny didy navoakan`ny fitrsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.