Fampianarana

Mpampianatra mpanabe eto Madagasikara Miaina anaty fahasahiranana tanteraka


  • Talata 09 Oktobra 2018

Efa am-polony taona maro no namoronan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fanabeazana sy ny siansa ary ny kolontsaina (UNESCO) ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra mpanabe.

 

 

 

Nankalaza izany ny teto Madagasikara tamin’ny zoma 5 oktobra lasa teo mba hanomezana voninahitra ireo mpampianatra mpanabe. Maro ny solontena tonga avy tany amin’ny faritany mba hiaino ny vaovao sy nitondra ny olana rehetra misy any aminy,  indrindra liana ny amin’ny tohin’ny tolona natao. Nanambara ny filohan’ny SEMPAMA, Claude Raharovoatra fa niteraka firaisan-kinan’ny mpampianatra indray ity hetsika ity ary mahavelom-panantenana na dia nisy aza ny fanilihana natao tamin’izy ireo. Mitohy ny tolona, hoy izy ary tamin’ny filankevi-pirenena tamin’ny 24 sy 25 jolay farany teo iny dia nisy ny famoahana volavolana didim-panjakana mba hametraka ny  toeran’ny mpampianatra mpanabe, indrindra ny teo anivon’ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa. Izany no natao mba ho liana sy tamana amin’ny asany izy ireo satria amin’izao fotoana izao dia mandray karama tsizarizary sy misehatra amin’ny tontolon’ny asa mampalahelo ny mpampianatra mpanabe, hany ka sady bokan-trosa no tena sahirana. Anisan’ny nangatahana tamin’ny volavolana didim-panjakana ny tambin-karama mahakasika ny trano fonenana ho 300 000 Ariary, ny mahakasika ny ho mety trangana aretina na asan-dahalo (indemnité de risque) ho 200 000 Ariary. Nangalana ny hevitry ny mpahay lalàna ireo ary nanaovana fampitahana mihitsy tamin’ireo sokajin’asa maro samihafa. Mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana kosa anefa dia nametraka izy ireo fa tsy maintsy manana mari-pahaizana bakalorea farafahakeliny ny mpampianatra mpanabe horaisina manaraka, eny fa na dia hampianatra any amin’ny fanabeazana fototra aza. Tonga nanome voninahitra ny fankalazana natao tetsy Ampefiloha ny minisitry ny fanabeazana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Rahantasoa Lydia Aimée.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT