Fampianarana

Mpampianatra mitokona Tambin-karama no tena maharary mafy azy ireo


  • Zoma 08 Jona 2018

Zavatra enina loha raha fehezina no tena maharary ireo mpampianatra eto amintsika, antony manosika azy ireo hitokona tsy mety hampianatra.

Lohalaharana amin’ireny, raha araka ny fanazavan’Atoa Ravo, anisan’ireo mpitarika ny tolona ny tsy fametrahana teknisianina hitantana ny minisiteran’ny fanabeazana arahin’ny fanivaivana mpampianatra. Toraka izany koa ny tsy fampiakarana ny tambin-karaman’izy ireo. Ho an’ny hofan-trano ohatra dia mbola mijanona ho 90 Ar hatramin’ny repoblika voalohany no ho mankaty raha 100.000 Ar isan’olona isam-bolana no hangatahin’izy ireo. Tsy mahazo tambin-karama momba ny risi-po ihany koa izy ireo izay tokony ho 100.000 Ar isan’olona, isam-bolana, ny tambin-karama momba ny tsaoka, ny tambin-karama amin’ny fandehanana mivoaka any amin’ny faritra. Raha atambatra ireo dia tambin-karama 400.000 Ar isaky ny mpampianatra isam-bolana no tena hangatahin’izy ireo. Mikasika ny vatan-karaman’ireo mpampianatra moa dia nomarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian omaly fa hojerena manokana aorian’ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Tsiahivina fa manodidina ny 100.000 Ar ny tambin-karama raisin’ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra  ankehitriny raha mbola mpampianatra FRAM izy raha 150.000 Ar kosa ho an’ny sekoly tsy miankina.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT