Fampianarana

Mpampianatra mitokona Nitaraina tany amin’ny Firenena Mikambana


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Tsy hijanona ny hetsik’ireo mpampianatra mitokona eto an-drenivohitra raha tsy valian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’izy ireo.

 Tonga nidodododo teny amin’ny biraon’ny firenena mikambana eny Andraharo indray izy ireo omaly nanazava ny olana sedrain’izy ireo sy ny tsy handraisany anjara amin’ireo karazana fanadinam-panjakana hotanterahina manerana ny Nosy, manomboka amin’ny 14 aogositra ho avy izao. Tafiditra tao anatin’izany ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) ka nihaonan’izy ireo mivantana tamin-dRtoa Severine Deboos David. Fantatra fa hiezaka ity tompon’andraikitra ity hanelanelana ireo mpampianatra sy ny fitondram-panjakana hahafahana mitady vahaolana maharitra. Ao koa ny fijerena ireo olana toy ny tsy fisian’ireo olon’ny kaominina handimby ireo mpampianatra mandritra ny fotoam-panadinana izay nomarihin-dRtoa Lova, filoha lefitry ny sendikan’ny mpampianatra eto Madagasikara fa tena nahakivy azy ireo tokoa. Miandry ny antso avy amin’ireo mpanelanelana ireo mpampianatra mandra-pivalian’ny fitakian’izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT