Fampianarana

Mpampianatra Mangataka ny hanatsarana ny hasina sy hijerena ny maha-olona


  • Alakamisy 06 Oktobra 2022

Ny fanovàna ny fanabeazana dia miainga avy amin’ireo mpampianatra », io no lohahevitra nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe omaly alarobia 05 oktobra teto amintsika.

Ho an’ny teto amin’ny faritra Analamanga manokana dia natomboka tamin’ny diabe niainga tetsy Antanimbarinandriana nihazo ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny fankalazana. Mpampianatra sy mpanabe anatin’ny fikambanana sy sendika samihafa avy amin’ny Ministera telo misahana ny fanabeazana eto amintsika no niaraka nanamarika ny hetsika. Niray feo izy ireo nandritra izany ka anisan’ny hetahetany ny hanatsarana hatrany ny hasina sy hijerena ny maha olona. Mbola betsaka amin’ireo mpampianatra mantsy no hiharan’ny tsindry hazolena sy herisetra. Nanambara ny fahavononany hanatsara ny sehatry ny fanabeazana ireo mpanabe eo an-danin’izany mba ho fanasoavana ny zaza Malagasy. Tonga nanome voninahitra ny lanonana no sady nisolotena an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Sekretera jeneralin'ny METFP. Nambarany fa maro ny ezaka efa nataon’ny fitondram-panjakana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ary ao anatin’izany ny fijerena manokana ireo mpampinatra, ny zo fototra tokony ho sitrahan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT