Fampianarana

Mpampianatra FRAM, Cisco Tana ville “0 ariary no noraisina tao anaty 6 volana”


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Nitokona nanoloana ny lisea JJ Rabearivelo tetsy Ambodifilao omaly ireo mpampianatra FRAM,

 

 

 

Cisco Tana ville, distrikan’Atsimondrano sy Avaradrano. Nanaiky ny fandaminana napetraky ny Cisco izahay hatramin’izay, hoy ny solontenan’izy ireo, Valerie Herinantenaina. Nisy ny taratasy fangatahana natao izay nampiverenana azy ireo teny amin’ity foiben’ny Cisco eto Antananarivo etsy Ambodifilao ity, raha ny fanazavana hatrany. Nangatahana ny hampitoviana ireo mpampianatra FRAM raisina isan’ambaratongany dia “pré-scolaire”, “primaire”, CEG, Lisea satria tena hita fa tsy mitovy. Eo koa ny fanampiana ny tambin-karama nampanantenain’ny filoham-pirenena hatramin’izay fotoana nidiranay ny taona 2020 ka hatramin’izao izay. Mbola tsy tonga aty am-pelantananay ihany koa hatramin’izao ilay hoe fanampiana ho an’ny Covid 19. Nesorina eto amin’ny Cisco izahay ankehitriny fa hoe tsy azo hitangoronana eto noho ny fahamehana ara-pahasalamana. Hiala izahay saingy mangataka hoe valio ny fangatahanay fa noana izahay. Mampiana-janaka, mila misakafo, mandoa hofan-trano sy mety marary ary mandoa saran-dalana koa izahay rehefa mandeha miasa nefa 0 ariary no azo tao anatin’ny 6 volana. Tsy handray tsaoka na “La craie” izahay amin’io fidirana amin’ny 19 aprily io, raha tsy mivaly ny fangatahanay dia ny fandoavana ny SMIG tao anatin’izay 6 volana izay fa tsy ilay 91.000 ariary nampanantenaina, hoy kosa ny fanamafisan’ny solontenan’izy ireo hatrany, Jean Marc Rafanomezantsoa. Ny 6 aprily teo no efa nalefa tany amin’ny minisitera ny taratasy fangatahana saingy tsy mivaly hatramin’izao, hoy ny fanazavana. Vokatry ny savorovoro moa dia nisy mpampianatra iray naratra toron’ny fiara tsy mataho-dalana sendra nihemotra hivoaka ny vavahadin’ity lisea ity. Miantso ny mpampianatra eo anivon’ny Cisco Tana ville izay mbola miatrika olana mitovy amin’izy ireo ireto FRAM ireto mba hijoro.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT