Fampianarana

Mpampianatra FRAM 70.000 ireo mbola karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra


  • Talata 05 Novambra 2019

Misedra olana tanteraka ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana ankehitriny.

 

 

 

 

Vitsiana mantsy ireo tsy manana mpampianatra FRAM karamaina isam-bolana fa ny ankoatra izay dia manakarama telo farafahakeliny. Ho an’ireo ZAP maromaro any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro dia fantatra fa tsy manana mpanabe afa-tsy mpampianatra FRAM  mbola karamaina avokoa izy ireo, hany ka midangana hatrany ny vola alaina amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Manoloana io tranga io dia hiezaka hitondra ny tatitra eny anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika ny ANEFFA hivondronan’ireo mpampianatra marobe. Anisan’ny efa nanaovan’izy ireo ezaka manokana, ohatra, ny fandresena lahatra ny fitondram-panjakana ka nahafantarana fa miisa 8.500 ireo mpampianatra FRAM raisina ho mpiasam-panjakana amin’ity taona 2019 ity. Ankoatra izay dia mbola hiady ihany koa ny ANEFFA hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny toy ny fanomezana aron’akanjo maimaimpoana ny mpianatra…. Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany teny amin’ny sekoly ambaratonga fototra Malaza Ampitatafika ny ANEFFA ny faran’ny herinandro teo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT