Fampianarana

Mpampianatra ao Vakinankaratra Hanao hetsika goavana amin’io herinandro io


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Na nisy aza ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Repobilika sy ny Praiminisitra, hiantso ny mpampianatra hiverina hampianatra dia namaly botana ny sendikan’ny mpampianatra ao Vakinankaratra.

 

 “Ataovy tonga any am-paosin’ny mpampianatra avokoa, tahaka ny natao tamin’ny mpitatitra aloha ny tombontsoan’izy ireo dia hiverina hampianatra ihany koa izahay”, hoy ireo mpampianatra, izay nidina an-dalambe tao Antsirabe ny andron’ny zoma 29 jona teo, niala teo amin’ny biraon’ny Dren nihazo ny biraon’ny Cisco saingy tsy nahita mpiasa tao. Nambaran’Atoa Raparison Antsamahery, mpitondra tenin’ireo sendikan’ny mpampianatra fa mbola fampanantenana poak’aty no nataon’ny Praiministra ka raha tsy mivaly sy azon’izy ireo izany tsy hampianatra izy ireo. An’ny tompon’andraiki-panjakana, manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny tsiny satria izy ireo no tsy mamaly ny fitakian’ny mpampianatra fa ny an’ny hafa efa voavaly avokoa. Hanao hetsika goavana, hidina an-dalambe izy ireo ny herinandro hiditra io mba ho fanta-bahoaka ny fitakiana ataon’izy ireo, raha mbola manampin-tsofina ny fitondram-panjakana.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT