Mpampianatra any

Ambatofinandrahana « Nosoloina olon’ny IRMAR ny Chef Cisco mamy hoditra »


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Nesorina ny chef Cisco anay Razafimpirenena Bien Aimé izay mamy hoditra amin’ny

mpampianatra ary nosoloina ny mpanolontsaina ara-pedagojika Rafanomezanjanahary Tantelimahafaly Paul, hoy ny mpampianatra any Ambatofinandrahana. Izy moa dia tena nanery ny mpampianatra tsy maintsy mifidy ny kandidam- mpanjakana, ka vita ny «mission » na iraka ara-politika nampanaovina azy, dia io izy natao chef Cisco io, hoy ny fampitam-baovao marim-pototra. Izahay aty efa nahavita ny fivoriana savaranonando na « réunion préliminaire » mikasika ny CEPE, efa samy manana ny andraikiny avy dia tsy fantatra indray izay ho ataony, hoy hatrany ireo mpampianatra. Nisy aza ireo nanatrika fotsiny ny fampielezan-kevitra nataon'ny Flilohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa dia efa nahazo fampitandremana na « avertissement » ankolaka, hoy hatrany ireo mpampianatra. Anio dia anio ihany dia handeha ny fifamindram-pahefana, raha ny loharanom-baovao. Miharihary hatrany ny filalaovana ny fampianarana amin’ny politika, izay endrika famotehana hatrany ny fanabeazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT