Fampianarana

Mpampianatra ankizy madinika Am-polony ireo nahazo traikefa


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Tontosa soamantsara teny Analamahitsy misy ny ivon-toeran’ny Faribolan’ny

 

Mpanabe « Tia Zaza Bonnes Semailles », ny fampiofanana ireo mpanabe ny kilonga izay nanomboka ny 01 ka hatramin’ny 12 Desambra teo. Ny ankamaroan’ny mpiofana raha araka ny fantatra dia avy amin’ny Akany Fibeazana izay samy nanamafy fa te-ho matihanina tokoa, mifanojo tanteraka amin’ny fenitra sy kalitao takian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Marihina fa fiaraha-miasan’ny Faribolan’ny Mpanabe sy ny Ministeran’ny Fanabeazana no nahatontosana izany. Noho ny fangatahan’ireo izay tsy afa-nanatrika dia arindra amin’ny fialan-tsatsatry ny paska ny fiofanana manaraka. Raha misy vondron’olona mikasa hanao fiofanana manokana, dia azo hatao ny mandamina izany. Manamafy ny filohan’ny Faribolan’ny Mpanabe, Ramatoa Iary Rabenasolo fa « Miavaka ny fiofanana omen’izy ireo satria ny fahaiza- mamorona no mampitombo ny traikefa sy fahaiza-manaon’ ny tsirairay ho matihanina ». Am-polony ireo mpiofana no niatrika izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT