Fampianarana

Mitohy ny tolon’ny SYFEMA Tsy handray anjara amin’ny BEPC


  • Talata 28 Aogositra 2018

Nanao fanambarana ny SEMPAMA Nosy ny faran’ny herinandro teo fa hampiato ny tolona ho fitsinjovana ny zaza Malagasy ary hampianatra maimaimpoana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC amin’io herinandro ho avy io.

 Nilaza kosa ny SYFEMA (sendikan’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana) omaly fa mitohy ny tolona. Tsy mety mantsy, hoy Ramiandrarivo Aina, filohan’ny SYFEMA raha amin’ny ora farany toy izao vao milaza ny SEMPAMA Nosy fa hiverina hampianatra. Tsy mety koa ny fanaovana amboletra ny fanadinam-panjakana toy ny mitranga amin’izao fa tena manapoizina ny zaza Malagasy. Ho an’ny fanadinana CEPE manokana dia nomarihiny fa nisy tamin’ny faritra sasany no nahatratra 54 % ireo mpiadina tsy tonga. Betsaka ihany koa ireo mpampianatra tsy nandray anjara, hoy izy fa ny “Quartier mobile” no nahetsika, ankoatra ny laza adina izay nivoaka mialoha tany amin’ny faritra sasany. Navoakan’ity filohan’ny SYFEMA ity ihany koa fa 7 ka hatramin’ny 7,5 amin’ny 20 no naoty nanafahana ireo mpiadina niatrika ny CEPE farany teo, antony nanamaro isa ireo afaka izay tena mandeha amin’ny tsy izy intsony. Miantso ny fanjakana mba hamerina ny hasin’ny fanabeazana izy ireo ka hifampiresaka sy hifandamina amin’ireo tena mpampianatra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT