Fampianarana

Mitaky vahaolana ny mpianatra eny Ankatso “Manome 72ora, mitaky fiakaran’ny vatsim-pianarana 100%”


  • Talata 22 Aogositra 2023

Manome fe-potoana 72 ora ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo mba hitadiavana vahaolana maharitra manoloana ny olana lavareny tsy mety

mivaha ankehitriny, araka ny fanambaran’ireo Filohan’ny Fikambanana pedagojika rehetra mandrafitra ity oniversitem-panjakana ity. Efa hatrany amin’ny 2020 no nihamafy ny olana satria nisy ny fihibohana, nisy ny grevy samihafa, hany ka lava loatra ny fahatapahana, hoy ireo mpianatra, izay nilaza fa hiroso amin’ny dingana ambony kokoa raha sanatria tsy misy ny vahaolana. Efa betsaka, hoy izy ireo, ny fihaonana sy fifampiresahana saingy tsy nahitam-bahaolana. “Jereo ny vahaolana maharitra, tsy voatery ny grevin’ny SECES fa ireo olana samihafa mampikatso ny fampianarana. Betsaka ny mpianatra tonga aty kanefa tsy mianatra, ny hofan-trano aloa, ny vatsy lany, ny Ray aman-dReny sahirana. Mitaky ihany koa izahay ho an’ny taom-pianarana manaraka mba hakarina 100% ny vatsim-pianarana satria tena sahirana”, hoy ireo mpianatra. “Manao antso amin’ny tanora Malagasy rehetra izahay mba hahatsapa tena fa manana adidy amin’ity Nosy mamintsika ity, ary tsy hikatsaka afatsy izay tena mahasoa ny firenena. Irianay ny tsy hamatorana anay tanora anatine kajikajy politika satria tsy misy fiandaniana ny fanambarana atao fa teny am-panjakana sy amim-pahamendrehana avy amin-janaka”, hoy ireo Solontenan’ny mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT