Fampianarana

Ministeran’ny fampianarana teknika Hiara-kiasa akaiky amin’ny FID


  • Talata 23 Febroary 2021

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy

 

 

ny fanofanana arak’asa ary ny FID ( Fond d’Intervention pour le Développement). Hanamafisana ny traikefan’ireo olona mpahazo tombotsoa hanatanteraka ireo karazana asa sosily hotanterahina ho an’ny vahoaka eny anivon’ny Fokontany no anton’izany. Nitarika izany Atoa Tsikel’Iankina Ernest, Minisitry ny fampianarana teknika, notronin-dRtoa Razanadrainiarson Rondro, filohan’ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny FID. Mikasika ny fananganana sekoly manokana dia ny FID no handoa ny vola raha omena fiofanana amin’ny fametrahana tsara ireo karazam-pitaovana toy ny vato, …. ireo mpiasa, asa hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika. Ankoatra an’Antananarivo dia anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izany ny mponin’i Fianarantsoa, Toamasina, Toliara ary ireo distrika sasantsasany . Haharitra 12 volana ny fiaraha-miasa. Tsiahivina moa fa miisa 4 ireo asa sosialy hotanterahin’ny FID eto amintsika hiatrehana ny krizy dia ny Asa Avotra Mirindra, Fiavota, Vatsin’Ankohonana, ary ny Ndao Hianatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT