Fampianarana

Ministeran’ny fampianarana ambony “Tsy misy laza adina niparitaka izany”


  • Talata 06 Oktobra 2020

Nandeha be ny resaka omaly teto an-drenivohitra fa efa misy laza adina Bakalôrea miparitaka sahady any ho any.

 

 

 

Taranja tantara sy jeografia izy io, natokana ho an’ireo mpiadina ao amin’ny sokajy A. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny tale jeneralin’ny serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika dia nambarany fa ireo olona mamolavola ny laza adina aza mbola mihiboka avokoa amin’izao, ambenana zandary sy polisy ary tsy mivoaka raha tsy vita soamantsara ny fanadinana. Ekena hoy izy fa nisy ny tranga tahaka izany tamin’ny taon-dasa saingy efa tao anatin’ny vanim-potoana nanatanterahana ny fanadinam-panjakana Bakalôrea ireny vao niseho. Ny mahagaga ahy hoy izy dia mbola tsy ao anatin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea akory isika ankehitriny nefa misy milaza ho mahita izany sahady.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT