Fampianarana

Ministeran'ny fanabeazam-pirenena Tale 3 matin'ny lozam-pifamoivoizana


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Tompon'andraikitra miisa 3 eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana tekinika no indray nindaosin’ny fahafatesana omaly nandritry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny lalam-pirenena fahaefatra, 3 kilaometatra tsy idirana an’Andriba.

 

 

 

 

 Isan’izany ny tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny fanofanana ara-kasa, izay tsy maty teo noho eo fa tany amin’ny hopitaly tany an-toerana, raha ny fampitam-baovao. Maty tsy tra-drano kosa ny talen’ny Pascoma sy ny talen’ny Cnapmad. Naratra mafy kosa ireo mpianatra mpitsabo niaraka tamin’izy ireo. Avy tany Antsiranana nanatitra Covid organics sy arotava ary nanara-maso ny fampianarana tany an-toerana izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany no niharan’izao loza izao. Niala fiolanana ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ireo ka avy dia namantana hantsana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo mpianatra roalahy, raha ny tati-baovao hatrany.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT