Fampianarana

Minisitry ny fanabeazana Miezaka mandray lesona amin’ny firenena mikambana


  • Talata 20 Septambra 2022

Azo lazaina ho miezaka mandray lesona amin’ny firenena mikambana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala,

raha nampahatsiahy ny tenin’ny sekretera jeneralin’ity rafitra iraisampirenena ity, Antonio Guterres, hoe tokony ambonin’ny laharam-pahamehana ho an’ireo governemantantsika ny fanabeazana. Nampahatsiahiviny toy izany koa ny nambaran’ny tale jeneralin’ity rafitra ity izay miandraikitra ny fanabeazana sy ny siansa ary kolontsaina manao hoe tsy misy fampandrosoana ara-toekarena sy filaminana raha tsy eo ny fanabeazana. Ny fanovana sy ny fanatsarana ny fanabeazana dia tokony hiarahana amin’ny tanora, hoy hatrany ity minisitra ity. Vonona ve ny tanora malagasy? Arovy ny sekoly, ny ankizy ary ny mpampianatra. Masina ny fanabeazana, masina ny tanindrazana, hoy hatrany ny tenany. Tena ny tanora tokoa ve no mila andrasana ho vonona sa mila beazina ho vonona aloha? Tsy misy izay tsy miaiky ankehitriny fa mitotongana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tena avy amin’ireo tanora ve ny tsiny sa avy amin’ny rafi-panabeazana tsy mety mari-pototra sy lany andro ankehitriny ?
J. Mirija
Legende: Ireo minisitra misahana fanabeazana isan’ambaratonga sy Alpha, ilay tovolahy nahazo ny laharana voalohany tamin’ny Bakalorea, Sokajy C.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT