Fampianarana

Minisitry ny fanabeazana “Mahaiza misafidy ekipa”


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Ny fanaovana politika dia toy ny baolina kitra, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala.

Misy fifaninanana lehibe isaky ny 5 taona, raha i Madagasikara no raisina ohatra, hoy izy. Misy ny ekipa na klioba maromaro mifaninanana sy mifandrefy mandavan-taona. Misy mpilalao matihanina sy erotrerony. Mety misy mpilalao tsy mahay milalao. Misy mpilalao mifindrafindra ekipa na klioba. Ny sasany aza vidiana lafo mihitsy vao miditra. Ny hafa vidiana mora. Misy aza milalao noho ny fitiavany ny baolina, ny ekipa, fa indrindra ilay mpanazatra eny ho an’ny tanindrazana. Indraindray misy ekipa izay mpilalao vao nangonona tampoka teo no mandrafitra azy ka mety tsy hahay hiaraka hilalao. Mety hisy koa ny hitazom-baolina irery mba ahitana sy hiobiana azy. Mba izy irery no ho hita eo amin’ny kianja. Ny betsaka dia ny mpankafy, ny mpijery baolina, ny mpiorakoraka kanefa dia misy koa ny tsy mijery baolina fa aleony manao izay tiany sy mety aminy. Indraindray aza dia misy kilalao tsy misy mijery. Tsy misy afaka manery mpijery baolina amin’ny safidiny io. Hainy foana izay ekipa tiany tohanana. Ny ahy zao Argentine no safidiko tamin’ny lalao iraisampirenena kanefa izaho mbola tsy nandeha tany. Eo ihany koa ireo mpitsara izay manao izay hampirindra sy handaminana ny lalao. Mahaiza fotsiny misafidy ekipa izay mety aminao dia milalaova araka izay herinao. Aza dia miovaova ekipa loatra. Araho tsara ny toromarika avy amin’ny mpanazatra. Aza manaiky rebireben’ny hafa fa samy te handresy daholo. Indrindra, «que le meilleur gagne!», hoy ny frantsay, dia mifandray tanana ny resy sy ny nandresy. Ny ahy ny safidiko dia iray ihany. Barea, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT