Fampianarana

Minisitry ny Fanabeazana “Hampiana ny mpianatra, ho tohanana ny mpampianatra”


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Tsy misy taona fotsy .Nanamafy izany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana Josoa, nandritra ny lahateniny omaly teny amin` ny CCO COVID-19 Ivato omaly.

 

 

 

 Hisy soa aman-tsara ireo fanadinana ara-panjakana samihafa ary tsy hisy ny fanovana tetiandro hanatanterahana izany. Hitarina, araka izany, ny fetr’andro amin` ny fisoratana anarana. Hisy fampianarana manokana ho tanterahan` ny CRAN (Cours de Remise A Niveau) hoy hatrany ny minisitra. Ho amin` ny fampianarana amin` ny ankapobeny dia hisy fandaharana manokana amin` ny haino aman-jerim-panjakana manomboka anio. Hanampy betsaka ny zaza Malagasy hiatrika fanadinana ireo fandaharana manokana ireo, hoy ihany izy. Ankoatra izay, dia azon` ireo mpianatra alaina amin` ny alalan` ny aterineto eo amin` ny tranokalan` ny ministera ireo fandaharana. Efa mivonona amin` ny fanampiana samihafa ihany koa ny minsteran` ny fanabeazam-pirenena mba ahafahana manampy ireo mpianatra sy manohana ireo ray amn-dreny amin` izao fiatrehana krizy ara-pahasalamana sy ara-tsosialy izao. Hisy fanazarana sy enti-mody ho zaraina eny anivon` ireo CISCO manerana ny nosy ato ho ato. Miantso ireo mpanabe rehetra ny minisitra Rijasoa Andriamanana Josoa mba hiantoka ny kalitaom-pampianarana mandritra sy aorian` ny fihibohana. Nanamafy hatrany izy fa ho jerena manokana ihany koa ny momba ireo mpampianatra FRAM sy ny mpampianatra “vacataire” any amin’ny tsy miankina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT