Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena “Tsy foanana izany ny PSE …”


  • Talata 20 Aogositra 2019

Tsy foanana izany ny PSE na ilay rafi-pampianarana vaovao raha araka ny fanazavan-dRtoa Volahaingo Marie Thèrese, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika.

 

 

 

 Ny tetiandrom-pampianarana, hoy izy no naverina amin’ny laoniny miampy ny fanatontosana hatrany ny fanadinana CEPE fa ny ankoatra izay dia betsaka zavatra tsara azo tanterahina ao anatin’ilay boky 400 pejy mandrafitra ny PSE. Hiezaka hampahafantatra ny ray aman-dreny ny votoatin’ity PSE ity ny minisitera manomboka izao mba tsy ho takon’ilay tetiandrom-pampianarana fotsiny ny rehetra.  Ankoatra izay dia fantatra fa handray mpampianatra FRAM miisa 8.500 ny minisitera amin’ity taona ity izay hozaraina amin’ireo minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika. Hojerena kosa anefa ny fotoana niasan’ilay mpampianatra sy ny zavatra tsara vitany, hoy izy  mba hahafahan’izy ireny migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany. Nomarihin’ny minisitra Volahaingo Marie Therese moa fa tsy azo ekena intsony ny kolikoly hanasongadinana ireo tena mahafehy ny asa fanabeazana eto amintsika. Efa nisy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpamatsy vola mikasika ny fanatanterahana ny PSE eto amintsika.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT