Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena Nivoaka sempotra tanteraka


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Rehefa tsy mety ny atao, na ny ranon’ampango sotroina aza misy voay. Izay no azo amehezana ny zavatra nanjo an’Ingahy minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien tetsy Anosy omaly. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpiasa nolazaina ho nahavita be sy mendrika miisa 281.

Raha vao nanomboka anefa ny lanonana dia tonga ihany koa ireo sendikan’ny mpampianatra izay efa mifamotoana sy zatra manao fitokonana eo amin’io toerana io. Teo no nanomboka ny korontana satria nihidy ny vavahady be tokony hidiran’ny mpitokona ary nambenan’ireo mpitandro ny filaminana maro. Tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny fanolorana fankasitrahana satria nitabataba sy nihorakoraka tamin’ny fanamafisam-peony teo ivelany ny mpampianatra. Nahoana no manao fety be sy sakafo tahaka izao nefa ny tombotsoa anay izay takiana isan’andro hodiana fanina? Izany no ambetin-tenin’izy ireo ary narahina kiriorioka tsy ifandrenesana. Vita ihany ny fanolorana ny mari-boninahitra ary rehefa nanatitra ny “grand chancellier” ingahy minisitra dia tsy hita ihany koa ny lakile an’ny vavahady tany ambadika tokony amoahana azy. Rehefa niova lalana dia tsy teo antokontany indray ny fiara fa mbola nendrasana ela. Teo no nanararaotra nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ary tratran’ny mpanao fihetsiketsehana ka tsy maintsy nandray micro nitafa tamin’ireto farany. Nanambara moa izy fa efa andalana ny fijerevana akaiky ny fitakian’ny mpampianatra. Ankoatr’izay dia nilaza mahitsy izy fa tsy ho zakan’ny kitapom-bolam-panjakana mihitsy ilay 100 000 Ariary ampitomboana efatra takian’ny mpampianatra. Ny ampahany amin’io ihany no ezahina ka nangataka solontena 5 izy hiaraka aminy amin’ny Alatsinainy hitafa amin’ny praiminisitra. Hita ho tsemboka tanteraka ny minisitra tao anatin’izany rehetra izany nohididin’ireo mpitokona. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity amin’ny alatsinainy ho avy izao, izay milaza ny mbola hanohy ny fitokonana ny mpampianatra.


Tsiry

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT